Matthew 11

1Ary rehefa avy nampianatra ireo mpianany roa ambin’folo Jesosy, dia niainga avy teo Izy hampianatra sy hitory any amin’ny tananan’izy ireo. 2Ary rehefa ren’i Jaona tao am-ponja ny momba ireo asan’i Kristy, dia nandefa hafatra tamin’ny alalan’ireo mpianany izy 3ka niteny Azy hoe: “Ianao va ilay iray izay ho avy, sa tokony hitady hafa izahay?”

4Jesosy namaly ary niteny azy ireo hoe: “Mandehana ary lazao amin’i Jaona izay hitanareo sy renareo.” 5Mahazo fahitana ireo jamba, mandeha ireo olona malemy, diovina ireo boka, mandre indray ireo olona marenina, atsangan-ko velona ireo olona maty, ary anambarana ireo vaovao mahafaly ny mahantra. 6Sambatra izay tsy tafitohina noho ny amiko.”

7Raha nandeha teny amin’ny lalany ireo lehilahy ireo, dia nanomboka nilaza ny momban’i Jaona tamin’ireo vahoaka Jesosy hoe: “Hijery inona no nivoahanareo any an’efitra - volotara tsofin’ny rivotra? 8Nefa hijery inona no nivoahanareo - lehilahy manao fitafy lafo vidy? Indro, ireo izay manao fitafy lafo vidy dia mipetraka ao an-tranon’ireo mpanjaka.

9Nefa hijery inona no nivoahanareo -mpaminany? Eny, miteny aminareo Aho, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany. 10Izy ilay izay voasoratra hoe: ‘Jereo, maniraka ny irako hialoha ny tavanareo Aho, izay hanomana ny làlanareo mialoha anareo.’

11Lazaiko marina aminareo, fa amin’ireo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe mihoatra noho Jaona mpanao Batisa. Nefa ny olona tsy manan-danja indrindra eo amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy. 12Nanomboka tamin’ny andron’i Jaona mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia miaritra amin’ny herisetra ny fanjakan’ny lanitra, ary ireo olona mahery setra dia maka azy an-keriny.

13Fa ireo mpaminany rehetra sy ny lalàna dia efa naminany hatramin’i Jaona; 14ary raha sitrakareo ny hanaiky izany, dia Izy no Elia ilay ho avy. 15Izay manan-tsofina ho enti-mhaino, aoka izy hihaino.

16Amin’inona no tokony hampitahako ity taranaka ity? Izany dia toy ny ankizy milalao eny amin’ny tsena, izay mipetraka sy mifampiantsoantso 17ka miteny hoe: ‘Nitsoka sodina ho anareo izahay, fa tsy nandihy inareo. Nanao hira fisaonanana izahay, fa tsy nitomany ianareo.’

18Fa Jaona dia tsy tonga hihinana mofo na hisotro divay, ka hoy izy ireo hoe: ‘Manana demonia izy.’ 19Ny Zanak’Olona dia tonga hihinana sy hisotro ka hoy izy ireo hoe: ‘Jereo, lehilahy tendan-kanina sy mpimamo izy, naman’ireo mpamory hetra sy ireo mpanota!’ Fa ny fahendrena dia voamarina tamin’ireo asany.”

20Avy eo Jesosy nanomboka niteny mafy ireo tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany mahagaga, satria tsy nibebaka izy ireo. 21“Loza ho anareo, ry Korazina! Loza ho anareo, ry Betsaida! Raha natao tany Tyra sy Sidona ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia efa ela no nibebaka tamin’ny lamba fisaonana sy lavenona izy ireo. 22Nefa ho moramora kokoa ny an’ny Tyra sy Sidona amin’ny andron’ny fitsarana mihoatra noho ny anareo.

23Ianareo, ry Kapernaomy, mihevitra ve ianareo fa hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina hidina any amin’ny helo ianareo. Satria raha tany Sodoma no natao ireo asa mahagaga izay natao teto aminareo, dia mbola ho tavela izany mandrak’ androany. 24Nefa milaza aminareo Aho fa ho mora kokoa ho an’ny tanin’i Sodoma ny andron’ny fitsarana noho ny ho aminareo.”

25Tamin’izany fotoana izany Jesosy niteny hoe: “Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria Ianao no nanafina ireo zavatra ireo tamin’ny hendry sy ny mahalala, ary nanambara ireo tamin’ireo izay tsy mahalala, toy ireo ankizy kely. 26Eny, ry Ray, satria izany dia nahafinaritra teo imasonao. 27Ny zavatra rehetra nankinina tamiko dia avy amin’ny Raiko; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay fidian’ny Zanaka hanambarana Azy.

28Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa sy mitondra mavesatra, dia omeko fitsaharana ianareo. 29Ento ny ziogako ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ireo fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.”

30

Copyright information for PltULB